Overblog
Editer l'article Suivre ce blog Administration + Créer mon blog
HORIZON SOCIÉTAL

NY FAHASIMBAN'NY LALAM-PIRENENA FAHA-EFATRA

Manana anjara lehibe eo amin'ny fampandrosoan'ny faritra iray ny fananany lalana harifomba. Ambara ombieny ombieny fa ny fahatsaran'ny lalana no antoky ny fampandrosoana ! Tena marina izany.

Raha ny mikasika ny Lalam-pirenena faha-efatra (RN4) manokana no asiana resaka dia hita tokoa amin'izao fotoam-pahavaratra izao fa miha-simba ny ampahan'ny lalana mampitohy an’ny Faritra Boeny sy ny Faritra Betsiboka. Azo tombanana ho 80% eo ny tahan’ny fahasimbanan’ny ampahan-dalana mampitohy an’i Mahajanga sy Ambondromamy (153 km) ary eo amin'ny 60% ny fahasimban’ny lalana mampitohy Ambondromamy sy Maevatanana.

Raha miala ny tananan'i Mahajanga ianao ka handeha any Antananarivo, dia mandalo ao amin’ny Kaominina Ankazomborona (na Amboromalandy), mihazo an’Ambolomoty, mamakivaky ny alan'Ankarafantsika, ny Kaominina Andranofasika, izay mivoaka any amin’ny Kaominina Tsaramandroso ary mipaka any amin’ny Kaominina Ambondromamy. Raha toa ka vita tao anatin’ny adiny telo na mahery kely izany ampahan-dalana izany teo aloha, miakatra ho adin’ny efatra na mahery aza izany amin’izao fotoana izao noho ny faharatsian’ny lalana. Ankoatry ny lavadavaka (nids de poule) sy ny faharavan’ny tara (goudron), miha-simba ihany koa ireo tetezana maromaro noho ny afitsoky ny mpangalatra vy sy ny tsy fahampian’ny fikarakarana (entretien). Ankoatr’izany, ny fahasimban’ny tontolo iainana, vokatry ny doro-tanety, dia mitarika ihany koa ny fahasimban’ny lalam-pirenena faha-efatra iny. Ny ala, izay miaro ny nofontany tsy ho entin’ny ranon’orana mivarina any amin’ny arabe, dia tsy misy intsony, potika noho ny adalan’ny sasany sy ny fitiava-tena be loatra. Hany ka tsy mahagaga raha ohatra ka tototra ny fotaka sy ny fasika ny lalana ka lasa misy fiantraikany eo amin’ny fivezivezena izany. Hita taratra tokoa izany manolona ny alan’Akarafantsika sy ny manodidina, izay lasa ataon’ny fokonolona (olon-dehibe sy ny ankizy) monina eny manodidina eny fitadiavam-bola.

Mazava ho azy fa mitaraina ny mpitatitra sy ny mpandeha. Mazava ho azy fa araraotin’ny sasany izany nampiakatra ny sarandalana sy ny vidin’ny entana satria ratsy dia ratsy tokoa ny lalana.

NY FAHASIMBAN'NY LALAM-PIRENENA FAHA-EFATRANY FAHASIMBAN'NY LALAM-PIRENENA FAHA-EFATRA

Raha miala eo Ambondromamy indray ianao ka hiazo any Maevatanana, izay mirefy eo amin’ny 85 km eo, dia mandalo eo amin’ny tetezan’ny Kamoro – izay manana halavana 265 m sy sakany 7 m - ka mamakivaky ny Kaominina Andranomamy.

Eo no mampisaraka ny Faritra Boeny sy ny Faritra Betsiboka ! Azo lazaina fa mihatsara  ihany ny lalana na dia mbola misy aza ny aratsiany eo amin’ny toerana vitsivitsy. Hita tokoa fa misy ny mpanamboatra, na dia ato anatin’ny fotoam-pahavaratra aza ; nefa misy ihany koa ny asa najanona mihitsy noho ny antony tsy fantatra. Mandalo ao amin’ny Kaominina Ambalajanakomby ianao, mitohy any Ambalabongo ka mipaka any Maevatanana.

Fehiny, azo sokajiana telo mazava tsara ny endriky ny lalam-pirenena faha-efatra raha miala any Mahajanga :

  • Ny ampahany voalohany (Mahajanga-Ambondromamy) dia tena ratsy amin’ny ankapobeny (80 % eo ho eo) ;
  • Ny ampahany faharoa (Ambondromamy-Maevatanana) dia mba tsaratsara ihany na dia misy aza ny toerana ratsy (50% eo ho eo no ratsy) ;
  • Ny ampahany fahatelo (Maevatanana-Antananarivo) izay ahitana fikojakojana matetika, dia mbola tsara amin’ny ankapobeny.

Manantena isika fa ho ataon’ny Fanjakana vaindoan-draharaha ny fanamboarana io lalam-pirenena io, indrindra eo anelanelan’Ambondromamy sy Mahajanga. Tsy adino ihany koa ny fahasimban’ny ankamaroan’ny lalana ao an-tampontananan’i Mahajanga izay mampiteny ny moana amin’izao fotoana izao !

SAID Jaffar

Partager cet article
Repost0
Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article