8 Novembre 2020
Nanaitra ahy ity lohateny nivoaka tamin'ny gazety iray tamin’ny alarobia faha 4 novambra lasa teo, mikasika ny zava-misy ao amin'ny toeram-pandevenana ao Mangatoka, Fokontany Antanimalandy, Kaominina andrenivohitr'i Mahajanga ! [Fokontany d'Antanimalandy - Le cimetière à Mangatokana enfoui sous les ordures]
---------------------------------------------------------------
Tamin’ny taona 1976 nisy adim-poko nahatsiravona niseho teo amin’ny foko sud-est (antsoina hoe Betsirebaka) sy ny Kaomoriana tao Mahajanga. Maro tokoa ny namoy ny ainy tamin’izany. Roa arivo tany ho any ny Kaomoriana maty hoy ny gazety nivoaka tany ivelany, na dia tsy nisy antotan’isa mazava tsara aza no navoaka. Ireo olona maty tamin’io ady io dia nalevina tao anatin’ny lavaka iombonana (fosse commune) tao Mangatoka izay mbola ala be tokoa tsy nahitana toeram-ponenana na dia iray aza. Mbola hita maso ao hatramin’izao io fasana iombonana nandevenana ireo tera-tany Kaomoriana io.
Taty aoriana, nanomboka nihitatra tsikelikely ny tananan’i Mahajanga ary nisy ireo fokontany niforona arak’izany, anisan’izany ny Fokontany Ambohimandamina sy Mahatsinjo. Marihina fa arakaraka ny fihitaran’ny tanàna ny Mahajanga, nanomboka tamin’ny taona 1895 no nihitaran’ireo fasana maro samy hafa ihany koa. Ny fikisahan’ny toeram-pandevenana dia azo itarafana ny fitombon’ny tanàna iray. Raha toa ka teny akaiky ny Baobab sy ny birao ny Travaux publics ny toeram-pandevenana voalohany tao Mahajanga, dia nikisaka toy izao izy taty afara. Tao ireo fasan’ny miaramila, fasan’ny Antalaotsy, fasam-bazaha, fasan’ny Arabo, fasan’ny Karany, fasan’ny Silamo ary fasan’ny Malagasy tsy vaky volo. Nahitana ireo fasana ireo ny ankamaroan’ny toerana tao Mahajanga (fasan’ny miaramila tao Boustani akaikin’ny Toby ny Zandarimaria, fasam-bazaha ao Mahajanga Be, fasan’ny Karany tao Mahajanga Be sy Mangarivotra, fasan’ny Silamo tao Fiofio sy Manjarisoa, fasan’ny Arabo tao Marolaka, fasan’ny Silamo sy Kristianina ao Antanimasaja sy ao Mangatoka, etc.). Ny ankamaroan’izy ireo dia mbola ampiasaina amin’izao fotoana izao ; ny sasany kosa dia efa feno nefa mbola voaaro sy efa nesorina ka namoronana tanàna vaovao.
FITANTANANA NY FASANA AO MAHAJANGA
Ireo karazan’olona na foko monina tao Mahajanga no namorona ny toeram-pandevenany tsirairay avy. Izany no mbola ahitana ireo fasana voaaro vitsivitsy na dia efa feno aza ny ankamaroany. Anisan’izany ny fasam-bazaha,izay naorina tamin’ny fanjanahantany, ka ny Kaominina no mitantana azy ary natokana ho levenan’ireo Frantsay monina ao Mahajanga. Ao ihany koa ireo fasan’ny Karany izay mizarazara arakaraky ny finoana misy azy ireo : misy fasana ao an-damosin’ny Sekoly Charles Renel izay efa tsy ampiasaina fa mbola voaaro tokoa ; misy ihany koa ny eo am-pitan’ny Gymnase couvert teo aloha izay voaaro satria misy fefy ; misy ihany koa eny Mahavoky izay mbola ampiasaina ary mifefy tsara. Ho an’ireo foko Hindou, izay tsy mandevina fa mandoro faty, dia mbola any Amborovy no ahafahan’izy ireo manao izany.
Ny any amin’ny fokontany Antanimasaja no azo lazaina fa ahitana ny fasana lehibe indrindra nahafahana nandevina ny tera-tany Malagasy (Kristianina sy Silamo) nipetraka tao Mahajanga. Ny ankamaroan’izy ireo dia sy nifefy fa najain’ny be sy ny maro kosa amin’ny maha-fasana azy. Ny fasan’ny Charifou (Silamo) dia anisan’ny fasana nisy fefy izay nahoron’ireo nanan-kavana nilevina tao.
Tamin’ny taona 80 tany ho any, nanapakevitra ny tompon’andraikitry ny Kaominina tamin’izany fotoana nivarotra ny ampahan’ny tany, izay natokana ho fandevenana ny maty, amin’ny Fikambanana Katolika Don Bosco. Nanomboka teo no nirohitra ny fanimbazimbàna ny fasana tao Mahajanga !
Noho ny antony ara-politika, satria nitady mpomba sy mpanohana azy ny Ben’ny tanana tamin’izany, namporisika ireo mpihavy ny Lehiben’ny Mpanatanteraka teo anivon’ny Kaominina andrenivohitr’i Mahajanga, hanorona tranom-ponenana eny amin’ny fasana Antanimasaja. Nitombo tsy araka noho izy tokoa ny fanamboarana trano eny amin’ny toeram-pandevenana. Na dia nanohitra aza ireo nanan-kavana nilevina tao, tsy nihainoina izy ireo satria efa pôlitika mati-paika ny hanalana ireo fasana ireo. Ho an’izay afaka namokatra, voatery nanao izany izy ireo ; fa ny tsy mpanao izany fomba izany kosa dia tsy afa-nanohitra ka lasa very tanteraka tokoa ireo havan’izy ireo. Ny fasana teo aloha dia lasa tanana vaovao ! Tsy nohajaina akory ny hasin’ny razana izay manana ny maha-izy azy amin’isika Malagasy. Ny an’ny Silamo kosa, izay efa nozimbazimbaina ny ampahany, dia mbola voaaro noho ny fanoherana nataon’ireo manan-kavana ; fanoherana nentina teny anivon’ny Fitsarana mihitsy. Nanomboka teo, niezaka ny fikambanana Silamo maro samy hafa nanao fefy ireo fasana saika ho lasa ihany koa.
Ankoatr’izany, ny ao Mangatoka, Fokontany Ambohimandamina, izay midadasika tokoa, mbola afaka mandevina ao ny rehetra. Misy fasan’ny Kristianina sy Silamo ihany koa ao an-toerana.
Tamin’ny taona 2005, nisy andian’olona vitsivitsy tonga namboly sy nanorom-ponenana tao amin’ny faritra andevenana ao Mangatoka. Nitombo tsikelikely izany ka nitarika ny fahasimban’ireo fasana teny an-toerana. Nesorina na nangalarina ireo vatom-pasana natao fefin’ny trano. Ny toerana malalaka kosa lasa toeram-pambolena izay ahitana ny kida sy ny manga. Taona maromaro taty afara, nanapakevitra ireo manan-kavana milevina eny amin’ny fasana Mangatoka, raha nahita ny fahasimban’ny toerana sy ny fanimbazimbàna ireo fasana, nanao antso havo sy nametraka fitarainana eo anivon’ny tompon’andraiki-panjakana (Prefe) sy ny Ben’ny tanàna ny Kaominina. Marihina fa efa nanaitra sy nitondra ny fitarainan’ireo manan-kavana any amin’ny manam-pahefana ny Lehiben’ny Fokontany Antanimalandy.
Tamin’ny taona 2017, nisy ny fidinan’ny tompon’andraikitry ny Kaominina tany an-toerana, ka nanaovany fitsirihina sy fandrefesana ny faritra azo handevenana. Nanapakevitra izy ireo taorian’izany nandrava sy nanala ireo trano miisa valo (8) tafo eo ho eo niorona tsy ara-dalàna tao anatin’ny toeram-pandevenana.
Nefa hita sy tsapa ankehitriny fa mbola mitoetra ao Mangatoka ny fanamboarana ny tranom-ponenana tsy ara-dalàna izay hitondran’ny Komity mpiaro ireo fasana ao an-toerana fitarainana any amin’ny minisitera mahefa.
Mahatsapa tokoa izy ireo fa tsy henoinaizy ireo, tsy henoina ny fitarainan’izy ireo mikasika ny tsindry ataon’ny sasany ao an-toerana.
Ankoatr’izany, mitaraina ihany koa ireo fokonolona ireo mikasika ny fanarian’ny Kaominina andrenivohitr’i Mahajanga ny fako ao Mangatoka.
Toerana fanariam-pako (décharge publique) ao Mangatoka
Tsy vitan’ny fanorenam-ponenana tsy ara-dalàna ao amin’ny faritra Mangatoka, izay efa nitarainan’ny olona maro tokoa, fa mbola ianjadian’ny vesatra hafa ihany koa io toerana io. Ao Mangatoka tokoa no toerana nosafidin’ny Kaominina andrenivohitr’i Mahajanga hanariana ny fako avy ao an-tampon-tanàna. Ankehitriny, hita fa ireo fako ireo dia mandrakotra 20% ny fasana ao an-toerana. Miteraka olana ara-pahasalamana arak’izany io toe-javatra io : loto sy fofona maimbo. Hany ka misy fasana sasany voarakotry ny fako satria tsy mazava tsara ny faritra hanariana ny fako.
Maro ireo tompon-kavana very tsy mahita intsony ny fasan’ny havany izay voatototra ny fako na tsy misy vatom-pasana izay angalaran’ireo olona mipetraka eo manodidina.
Ho an’izy ireo, mazava ny resaka fa ny Kaominina no anisan’ny tompon’andraikitra amin’ny fanimbazimbana ny fasana noho izy manary fako amin’io toerana io sady manome alalana an-kolaka ireo mpanorina trano fonenana ao an-toerana. Hita tokoa fa tsy tokony hanariana fako intsony ao Mangatoka satria efa feno loatra, ka tokony mitady toeran-kafa ny tompon’andraikitra.
Noho ny fahatsapan’ny be sy ny maro fa miha-feno ireo fasana ao an-tampon-tanàna ny Mahajanga, dia nangataka tany amin’ny Ben’ny tanàna ny Belobaka, Distrika Mahajanga II, ny vahoaka tao Mahajanga mba handevenany ny havany ao amin’ny fasana «croisement Boanamary», Fokontany Amparemahitsy.
Ankehitriny anefa, hita fa miha-feno koa io toeram-pandevenana io. Efa manakaiky ny lalana (RN4) mihitsy ny fasana noho izany. Marihina anefa fa noho ny fihanaka ny valan’aretina coronavirus, dia tsy maintsy tany amin’io toerana io ihany no azo nandevenana ireo maty ny covid19 tao Mahajanga. Noho izany, tokony efa mitady toeran-kafa indray ny mponina ao Mahajanga mba handevenana ny maty.
NY TOERAN’NY FASANA
Ankoatra ny voalaza ao amin’ny Fehezan-dalàna famaizana (code pénal) malagasy (andininy faha 360.2) izay manasazy ny olona manimbazimba ny fasana amin’ny fomba rehetra, ny Lalàna laharana faha 2014-020 tamin’ny 27 septambra 2014 mikasika ny loharanom-bolan’ireo vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, ny fombafomba fifidianana, ny fandaminana sy ny fomba fiasa ary ny andraikity ny rafitr’izy ireo, ao amin’ny andininy faha 50 dia manamafy ihany koa fa ny fitondram-pilaminana ao amin’ny kaominina (police municipale), izay ambany fahefan’ny Ben’ny tanàna, dia mikendry ny hisian’ny filaminana tsara rindra, ny tokin’aina sy fandriampahalemana ary fahasalamam-bahoaka. Ho hita amin’izany (4) ...ny fitandroana ny filaminana sy fahamendrehan’ireo vondrom-pasana ; ka tsy azo ekena mihitsy ny fanaovana fanindrahindrana manokana na fanaovana anjorom-bala manokana noho ny finoana na noho ny fivavahana narahin’ilay maty, na noho ny toe-javatra niseho manodidina ny fahafatesany.
Ankoatr’izany, ny Lalàna laharana faha 2008-013 tamin’ny 8 jolay 2008 mikasika ny tanim-panjakana tsy azo amidy (domaine public) dia mametraka tsara, ao amin’ny andininy faha 3 fa ny toerana misy fasana sy ny toeram-pandevenana iombonana ary nahazoana alàlana dia sokajiana ho tanim-panjakana tsy azo amidy. Arak’izany, tsy azo amidy na giazina na ihany koa tsy azo foanana na dia vita titra araka ny paika voalazan’ny lalàna mikasika ny fananan-tany vita titra aza izy ireo. Ny andininy faha 12 dia manamafy fa «ny fandikàna ireo didy amam-pitsipika mikasika ny fifehezana, ny fikajiana sy ny fampiasana tanim-panjakana tsy azo amidy... dia saziana lamandy 100 000 Ar ka hatramin’ny 1 000 000 Ar» miampy «fanonerana ireo fandravana nihatra sy ny fandrodanana asa natsangana tsy ara-dalàna teo amin’ny tanim-panjakana tsy azo amidy na teo amin’ny faritra namelana velaran-tany.»
Ny fasana dia ilay zavatra naorina mba hiarovana ny toerana nandevenana na nanafenana ny maty. Io no toerana hita maso izay sady mampahatsiahy ny fahafatesana no mampifandray ny tontolon'ny velona sy ny tontololn'ny maty koa. Ao no itoeran'ny razana amin'ny androny sisa rehetra.
Manana ny toerana misy azy ny fasana sy ny toeram-pandevenana eo amin’ny Malagasy. Ny fanimbazimbana sy ny fanindrahindrana azy ireo dia tsy mifanaraka velively amin’ny soatoavina malagasy izay mametraka ny Razana amin’ny toerana ambony eo amin’ny foko rehetra eto Madagasikara. Ny Razana dia fitambaran’ireo raibe sy renibe efa nody mandry (loharano nipoirana) izay mbola mitahy sy miaro ny taranany eo amin’ny fiainan’izy ireo andavan’andro. Noheverin'ny Malagasy fa mpanelanelana ny Olombelona ami'I Zanahary ny Razana izany hoe ambany noho Andriamanitra nefa ambony noho ny olombelona . Nohevirina koa fa manan-kasina ny Razana fa mahery ny tso-dranony. Manana ny filaharany ny Razana, rehefa manao hataka ny Malagasy, arak’izany : aorian’I Zanahary no misy azy. Izany hoe, azo heverina ho ao anatin’ny fiaraha-monina ny Masina izy ireo, ka manana ny heriny sy ny hasiny mitahy sy nmiaro ary manampy ny olombelona. Izany no mahatonga ny rafi-pisainana Malagasy handala ny hoe «velona iray trano, maty iray fasina.»
Tsy misy olona tsy manana soatoavina fa ny karazana soatoavina sy ny fomba andaharana azy no tsy mitovy. Ilay toetra mampiavaka sy mampisongadina ny olona na ny vondron’olona, na ny fiaraha-monina, na ny foko, na ny firenena iray, ka ananany lanja manokana izay tsy mena-mitaha amin’ny an’ny hafa no atao hoe soatoavina. Noho izany ny mponina, dia manana ny fomba amam-panaony sy ny soatoaviny manokana na amin’ny fiainana andavanandro na amin’ny vanim-potoana miavaka, ary tonga hatrany amin’ny finoana sy fivavahana izany.
Araka ny finoan’ny tsirairay, dia tsy azo atao tsinontsinona ny Razana, izay mitoetra any am-pasana, fa nipoirana sy nahitana masoandro izy ireo, ka tsy maintsy hajaina sy omena hasina.Isan’ny soatoavina mampisongadina manokana ny mponina ny fihavanana, ny fifanajana ary ny fifanotronana.
Nefa tsapa ankehitriny fa tsy voahaja intsony ny fady, ny soatoavina malagasy izay nampiavaka ireo razam-ben-tsika tamin’ny hafa. Noho ny antony maro samy hafa, lasa isika Malagasy ihany no manitsakitsaka sy manimbazimba ireo fasan-drazan-tsika ireo ary tsy manome hasina izany toerana «fady» izany.
Mandalo fotoan-tsarotra ankehitriny ny mponina ao Mahajanga, eo amin’ny lafiny fandevenana ny maty, satria miha-feno ny fasana ary ny sasany mbola azo hampiasaina kosa tsy voahaja satria tsy misy ny fandraisana andraikitry ny Manam-pahefana izay tokony hitantana azy. Mazava tsara, araka ny lalàna, fa ny Kaominina no tokony mitantana ny toeram-pandevenana, izay sokajiana ho tanim-panjakana tsy azo amidy. Nefa, lasa natao toerana fanariam-pako ny Mangatoka, ka rakotry ny fako isan-karany ireo fasana maro ao an-toerana ; lasa anorenana trano tsy ara-dalàna ao Mangatoka ka eo ambonin’ny fasana no anaovana izany. Lasa mametra-panontaniana izany toe-javatra mampalahelo izany hoe : tany tan-dalàna tokoa ny ao Mahajanga ?
Sao de lasa hirona any amin’ny fandorana ny maty (crémation), tahaka ny ao Antananarivo indray, ny ho hataon’ny Malagasy atsy ho atsy ao Mahajanga : tsy alevina any anaty fasana intsony fo ho dorana tahaka ny fanaon’ireo Boudhistes ! Ka hoy izahay hoe lasa toy ilay mihinana ontsy isika mianakavy, ka am-bava homana, am-po mieritreritra.
SAID Jaffar
Administrateur civil en Chef